Tsy ho foana (Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSY HO FOANA NY FANANTENAKO 1- Tsy ho foana ny fanantenako Anao,
Tsy ho foana io Andriamanitra ô
Ilay maraina vao mifoha
Ao am-bava sy ao am-poko ao
Satria na inona atao na aiza alehako,
Iandrandrako saina avy Aminao
Fa Ianao mahefa ny asa rehetra,
Tsy ho foana ny fanantenako Anao.
Ref : Tsy ho foana raha mbola hisy koa ny farany,
Vatolampy manodidina ahy Ianao,
Ka ataoko am-pifaliana, tsy asiako fanahiana
Izay rehetra asa fanompoana iantsoanao,
Tsy ho foana raha mbola hisy koa ny farany,
Tsora-kazonao mahafa-tahotra ahy,
Mbola eto am-piadiana aho, mety handalo fahoriana
Izany rehetra izany hanantenako Anao.
2 - Tsy ho foana ny fanantenako Anao
Ry Andriamanitra ao an-danitra ao,
Tsy ireo sampy marobe, na ny harena, vola be
Fa ilay fiadanam-po fonenanao...
Satria misy fifaliana ao anatiko ao,
Ka tsy amoizako ny teninao,
Misy aina sady tohan'ny fanahiko,
Tsy ho foana ny fanantenako Anao.
HOSANA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo FitiavanaVangy : 103
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tiernan
Daty : 19/10/2025 06:13
