neny fireneko (ankalazao ny tompo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jereo ny akanjony toa voronkitsay.
Dia izao ve no fitafy nomena anao, ymllrr ry Neny o?
Sanatria mivarilavo, nisotro ny hanadino,
Tsy mahatsiaro ny zo sy hasina maha-olona.

Jereo ny ankizy fa mahonena,
Fa isan’andro tsy kitay tsy vary maina, ry Neny o!
Sanatria zaza sary, tsy manan-dray mpiahy.
ny hoavy tsy hay banjinina fa tononkira.serasera.org ny anio ihany.

Fiverenana:
Mitsangana ianao, o ry Neny fireneko,
Mitsangana ianao, meteza ho areniko.
Amboary ny bikanao, diovy ny lambanao
Etsy ho bangoiko ity misarakorako.
Fa nahoana ianao no tofoka sahady?
Tsy nahatanty ve, noresana lazon’ady?
Andao qgpmcsl alao hery, miarena ianao ry Neny.
Indreo ny sandriko ianteheranao ...
Neny o, ry Neny o ... fireneko.

Fahiny fahagola niadana isika.
Isan’andro hafaliana niombonana, ry Neny o!
Fa nidiran’angano ny tokantranontsika,
Fandrobana no manjaka, sy fitiavan-tena.

Mifohaza ry Neny sao ilaozan’ny toetr’andro
Havaozy ny hery anaty, na hatanoranao, ry Neny o!
Ivereno dieny jkuzobes izao ilay endrikao fahiny:
Andriambavy sahisahy, filamatr’ireo zanany.

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ankalazao ny tompo
Visites : 4101
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : pissoa
Date : 08/09/2005 19:02
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0328