Fisaka ny rariny (ankalazao ny tompo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa iza moa ianao no miseho manenji-dresy eo an-tany
Kapohinao hiepoka tsy ahita ny masoandro ny manjoko
F'angaha heverinao fa ho anao irery ihany ny mazava
Manao tsindrio fa lavo zary atanareo fandatsa irony babo

Ny hery ve no entina handresena ny fanahy
Lalàna ve no fatotra mangeja 'zany saina
Tsy ekena fa toherina ny tsindry hazo lena
Arodana raha toa ka manandevo ny lalàna

Dradraina lava izao fa ny rariny no tiana ampanjakaina
Ny tany hoe tsy fady fa ny vavan'ny vahoaka no tsy laitra
Raha sendra misy diso dia fofoina ka lazaina ho mpamosavy
Manimba ny vahoaka ka tsy fotorana mazava

Hatreo ve ny lalana ahitana ny mazava
Rahoviana re no afaka hiteny ny voampanga
Ny rariny akory sanatria tsy an'olon-drery
Fa fisaka ny marina iarahana mitady

Helohina avy hatrany ireo hita hafa fomba sy fisaina
Lazaina fa manimba ny toe-tsain'ireo mpanaja ny mahazatra
Fa moa ve raha mihoitra dia heverina ho toy ny very saina
Manao vikin'alina tsy ahita sanatria 'zay hianjerana

Ny hery ve no entina handresena ny fanahy
Lalàna ve no fatotra mangeja 'zany saina
Tsy ekena fa toherina ny tsindry hazo lena
Arodana raha toa ka manandevo ny lalàna

Hatreo ve ny lalana ahitana ny mazava
Rahoviana re no afaka hiteny ny voampanga
Ny rariny akory sanatria tsy an'olon-drery
Fa fisaka ny marina iarahana mitady

(Ny rahalahy Maurice)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ankalazao ny tompo
Visites : 112
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tosoa
Date : 06/10/2025 11:51
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1366