JESOA TSY MANDAO (Anjomaran'ny Fitiavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Jeso ato am-poko, mitantan'ahyNa teo 'reo adim-panahy, teo foana Ianao ho ahy
Solo :
Raha tonga ny tafiotra, ka feno fanahiana
Ilay fiainanao, 'lay tokan'ihany, Jeso no tsy mandao
Tefeny mba hiova ho olom-baovao, mahery sy voasedra
Fanasina fanilo, ka ho tara-pahazavana, hijoro sy hitsilo
Fiv:
Ianao ry Kristy
(Fanahy masina ô!)
Mpamonjy sy mpiahy
(Mpitarika anay)
Tariho hatrany tsy ho kivy akory
Ity mpanomponao ity
Ny Tompo no hiady, ianao kosa hangina
Tazomy ny finoana
(Ka tano ny finoana)
Na inona hidona, na inona hihatra
Jeso no tsy mandao anao
Solo:
Raha tojo fitsapana, ka kivy ny fanahy
Izao no tsarovy 'lay tokan'ihany, Jeso no tsy mandao
Toa vesatra tokoa, 'ty hazo fijaliana, ny Tompo no mitoetra
Anilanao hatrany, tsy irery akory ianao, fitia tsy misy fetra.
Fiv...
Tsarovy hatrany fikiro Jeso
Fa Izy tsy mandao anao
A/C: RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Hajavolamena
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Anjomaran'ny FitiavanaVisites : 2552
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Anjomaranyfitiavana
Date : 13/07/2017 19:59