JESOA NO TSY MANDAO (Anjomaran'ny Fitiavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Mandalo ady mafy raha tojo fitsapàna Ilay fiainanao, 'Lay tokana ihany
Jesoa no tsy mandao.
Tefeny mba hiova ho olom-baovao,
Mahery sy voasedra, fanasina, fanilo
Ka ho tara-pahazavana hijoro sy hitsilo.
Ianao Ry Kristy,
Mpamonjy sy Mpiahy
Tariho hatrany tsy ho kivy akory
Ity manomponao ity.
Ny Tompo no hiady
Fa ianao kosa hangina
Tazony ny finoana.
Na inona hidona
Jesoa no tsy mandao anao.
2) Raha tonga ny tafiotra ka feno fanahiana
Izao no tsarovy 'Lay tokana ihany
Jesoa no tsy mandao.
Toa vesatra tokoa, 'ty hazo fijaliana
Ny Tompo no mitoetra anilanao hatrany
Fitia tsy misy fetra.
Ianao Ry Fanahy,
'Lay Mpanalàlana
Tariho hatrany tsy ho kivy akory
Ity manomponao ity.
Ny Tompo no hiady
Fa ianao kosa hangina
Tazony ny finoana.
Na inona hidona
Jesoa no tsy mandao anao.
Tsarovy hatrany
Fikiro Jesoa
Fa Izy tsy mandao anao.
A/C : RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Rhado
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Anjomaran'ny FitiavanaVisites : 1500
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : miorahajavolamena28
Date : 29/04/2018 09:32