Ilay vato mandry (Alalà Telo Trio)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay vato mandry amoron-drano
Ny tarany no mandihy ambony rano
Safoin-drivotra monja
Rano mikoriana
Mamelona azy

Fantany ve f’eo akaikiny eo ihany
Maso roa mankafý an’izany
Tsapany ve tsy lavitra f’eo ihany
Adala iray mihetsi-po noho izany

Ilay vato mandry amoron-drano
Ny lokony indro miova raha dila ny andro
Tsiokan-drivotra monja
Rano mihira mandrotsy azy

Fantany ve f’eo akaikiny eo ihany
Sofina roa mahare an’izany
Tsapany ve tsy lavitra f’eo ihany
Adala iray resin-tory toa azy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Alalà Telo Trio
Visites : 1957
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 14/02/2015 15:17
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0911