Ray ô henoy (AKON'I BETELA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Solo lehilahy:
Ray ô Ianao no mahalala
Zany vavaka ataoko mangina
Ray ô Ianao no mahalala
N'inon'inona zavatra iriana
Ray ô Ianao no mahalala
Zany sento tsy haiko tonena
Ray ô Ianao no mahalala
Valim-bavaka tianao omena

Refrain Choeur:
Ray ô henoy, ka valio
Tonom-bavaka akariko izao
Manatreha ka toneo ty tarainako

Solo lehilahy:
Ray ô Ianao no mahalala
Zany sento tsy haiko tonena
Ray ô Ianao no mahalala
Valim-bavaka tianao homena

(Feon-kira)

Choeur:
Ray ô Ianao no mahita
Ny fiainako ety an-tany
Ray ô Ianao no mahita
Reo mpandrafy manenjika hatrany
Ray ô Ianao no mahita
N'inon'inona loza miseho
Ray ô Ianao no mahita
Zany masoko feno toreo
   Ray ô Ianao no mandidy
   Ny voahary rehetra mihitsy
   Ray ô Ianao no mandidy
   Na ho sambatra na ho ory ireny
   Ray ô Ianao no mandidy
   Fandaharana tianao ho hisy
   Ray ô Ianao no mandidy
   Famonjena ho ahy izay miteny

Refrain x1

Solo lehilahy:
Ray ô Ianao no mahalala
Zany sento tsy haiko tonena
Ray ô Ianao no mahalala
Valim-bavaka tianao homena

Feon-kira

(Vavaka):
Ray ô Ianao no mahita ny fiainana eto an-tany
Ray ô Ianao no mahita reo mpandrafy manenjika hatrany
Ray ô Ianao no mahita n'inon'inona loza hiseho
Eny Ray ô Ianao no mahita ranomasoko feno toreo

(vavaka mifamaly @ choeur hoe Ray ô Ianao no mahalala zany vavaka ataoko mangina sns...):
Ray ô Ianao no mandidy ny voahary rehetra mihitsy
Ray ô Ianao no mandidy na ho sambatra na ho ory ireny
Ray ô Ianao no mandidy fandaharana tianao ho hisy
Eny Ray ô, Ianao no mandidy  famonjena ho ahy izay miteny.

Refrain x1

Ray ô Ianao no mahalala
Zany sento tsy haiko tonena
Ray ô Ianao no mahalala
Valim-bavaka tianao homena.

Misaotra Ray ô! Amen

A/C: RADOFA EMILE
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AKON'I BETELA
Hits : 26
Likes : 0 Like
Created by : sarobidy
Date : 09/04/2026 09:42
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0511