Mba ho iray (AKON'I BETELA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Olona maro no indro mijaly
Fa mafy ny ady miseho eto an-tany o
Kamboty mahantra miafy tomany
Tsy afa-manoatra fa resy
Andriamanitra ô ny taninay
Tahio sy hatsarao ho sambatra
Omeo finoana hanompo Anao
Hanao ny sitrakao mandrakizay
Tahio ny olona mba hifanampy
Sy tsy hifanary toa rano sy vary o
Sy hifankatia toa mpirahalahy
Ny olon-drehetra ho iray

Ady mafana e sy mivaivay
No miseho isanandro isanandro ety
Tafondro sy basy no mirefodrefotra
Mipoaka mafy mandripaka ny aina
Sy zera baomba natao sesilany
No tsy hita isa fa toa variraraka
Faty miampatra etsy sy eroa
Fa maimbo ny tany mamofona vanja e
Ra mandriaka fa toa lohasaha
No ilomanosan'ireo miaro tena
Ankizy madinika sy antitra maro
No mangorohoro fa raikitra ny ady

Andriamanitra Andriananahary
Tahio re ny tany fa simba tokoa
Ka mba ho iray mba ho iray re
Ny olon-drehetra eto an-tany.

A/C: MANASSE RAFANOMEZANTSOA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AKON'I BETELA
Visites : 19
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : sarobidy
Date : 10/04/2026 10:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0293