Genesisy (Akon'i Betela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain:
Genesisy na fiandohana no hiraintsika eto anio
Andriamanitra Ray Tsitoha no nanao izao rehetra izao
Ka henemana no niasany tamin'ny herin'ny fanahiny
Ary noho ny tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy e

1-Andriamanitra tamin'ny voalohany
Dia nahary ny ssll tany aman-danitra
Ka niteny hoe misia ny mazava
Ary hitany fa tsara izany
Haleloia Haleloia
Andriamanitra nanao ny habakabaka
Ranomasina sy tany marina
Sady nisy maraina sy hariva
Ary hitany fa tsara izany
Haleloia haleloia

Dia naniry ny ahi-maintso
Sy ny hazo fihinam-boa
Ny masoandro amam-bolana
Sy ireo kintana miratra
Zay mpanapaka ny andro sy alina
Dia nataony tamin'ny andro fahaefatra

Ka derao Ilay Tsitoha o hobio Andriamanitra
Atolory ny saotra laza haja sy vwaxyjgd voninahitra
Mitehafa tànana, ka venteso ny hira vao
Asandrato ny fiderana fa Mpanjaka Mahery Izy e

Refrain

2- Andriamanitra nanao ny vorona
Sy hazan-drano vaventy rehetra
Izay mivelona ao anatin'ny rano
Ary hitany fa tsara izany
Haleloia Haleloia
Andriamanitra nanao ny biby
Dia bibidia sy biby fiompy
Samy ara-karazany avy
Ary hitany fa tsara izany
Haleloia Haleloia

Dia voahary ny olona
Ka lehilahy sy vehivavy
Zay manjaka amin'ny hazandrano
Sy ny biby rehetra amin'ny tany
Andriamanitra nitso-drano azy hoe
Maroa tononkira.serasera.org fara mamenoa ny tany

Ka derao Ilay Tsitoha ô hobio Andriamanitra
Atolory ny saotra laza haja sy voninahitra
Mitehafa tànana, ka venteso ny hira vao
Asandrato lklzx ny fiderana fa Mpanjaka Mahery Izy e

Refrain

A/C: RAFANOMEZANTSOA MANASSE

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Akon'i Betela
Visites : 24
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : sarobidy
Date : 19/06/2026 17:42
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2331