Matoky Anao zahay (AFV Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matoky Anao zahay ou ou ou x3

1- Olombelona izahay ka toa manahy
Mety ho reraka sy ho kivy ny fanahy
soa fa teo Ianao Jeso
Nampitony izany foko
Ka faly indray miara-mihira hoe

Ref : Matoky Anao zahay fa Ianao mitantana ny dia
Ka tsy ho solafaka na hierika intsony
Satria na maro aza ny mifaly amin'ny tsy finoako
Ianao ilay tsy mba mandao, matoky anao zahay

2- Na dia sarotra ny lalana aleha
Ny eso latsa fitsapana be dia be
Tsy hihemotra izahay
Fa hiroso ka hijoro
Hitory hatrany, hanandratra fa hoe :

Matoky anao zahay..... x2

Matoky Anao zahay ou ou ou x3
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AFV Anosibe
Visites : 276
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Randria7
Date : 24/08/2023 08:27
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725