FITIAVANA (AFI (Antsan'ny Fahazavana Itaosy))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FITIAVANAAndriamanitra fitiavana
Lay mpampiray sy mpampihavana
Asandratray ny anaranao
F’efa sitrakao
Ny hanome ny lahy tokana
mba ho mpamonjy anay manokana
Sy hampifankatia anay
Refrain Mitsangana, mandehana
Ka zarao lay fitiavana nitiavako anareo
Afafazo mba ahazo FITIAVANA
Zao tontolo izao hifampihavana
Afatotr’ilay fitiavana
hifankatia sy ho mpihavana
Ho anao ambalanao izahay
Ka ho tena iray
Hiaraka hanandratra ao am-po
Hitory an’Andriamanitra tsitoha
Hizara fitiavana
RAKOTOSAMIMANANA Tantely
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : AFI (Antsan'ny Fahazavana Itaosy)Visites : 3489
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Raliterahanitriniaina Nirina
Date : 19/09/2003 10:34