Ny teninao (AFAA ( Antsivan'ny famonjena Toby Neny Olga Ambolonkandrina ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Endrey manakoako ao am-po ny Teninao
    Ka tsy ho hadinoina n'aiza n'aiza Jeso ô
    Mamelona fanahy mba hifikitra Aminao
    Ka hodradraiko hatraty ka hatrary.

  Ref: Asandratray ny feonay ry Jeso ô
          Hidera anao hankalaza ny asanao
          Hihira hatrany ilay fitiavana tsy maty
          Hatrizay hatrizao ka ho doria.

2. Fanilo manazava ny andronay ny Teninao
    Mitsinjo izany dia mba tsy hisaraka aminao
    Ka na manjombona aza izany andronay ety
    Dia matoky miandrandra Anao zahay

  Ref: Asandratray ny feonay ry Jeso ô
          Hidera anao hankalaza ny asanao
          Hihira hatrany ilay fitiavana tsy maty
          Hatrizay hatrizao ka ho doria.

3. Izao tontolo izao Jeso mandalo avokoa
    Izay topaza-maso ety an-tany dia ho lò
    Kanefa Tompo ô ny Teninao tsy mba miova
    Maharitra mandrakizay ka ho doria

  Ref: (Asandratray ny feonay ry Jeso ô
           Hidera anao hankalaza ny asanao
           Hihira hatrany ilay fitiavana tsy maty
           Hatrizay hatrizao ka ho doria.)x2
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AFAA ( Antsivan'ny famonjena Toby Neny Olga Ambolonkandrina )
Visites : 26
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mharck
Date : 22/04/2026 15:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0283