SATRIA TIAKO IANAO (Zo Ryan)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na nosakanana aho
Nosakanana tsy hitia anao
Na norarana koa ,
norarana nahodina ny loha
kanefa koa vao maika
nihanitombo nivaivay tsy laitra
ilay fitia norarana niboiboika tsy tana
ilay fitia norarana vao maika tsy tana

Refrain :
SATRIA TIAKO IANAO ka tsy nohenoiko izany niteny
Ny fitiavako anao no noporofoiko tamin’izy ireny
SATRIA TIAKO IANAO ka tsy nahoako izay nandrara
Satria ianao ihany no tiako sy inoako f’efa anjara

Na iza hanaratsy
n’izan’iza koa hanao izay hampifandrafy
Tsy ahoantsika izy ireny
f’ilay fitiavana no hokoloina ombieny
Satria tiako ianao
Ianao koa moa tsy mila afa tsy izaho
Ilay fitiavantsika tsy avela hangatsiaka
Ny fanirianatsika tsy maintsy ho tafita

Refrain :
SATRIA TIAKO IANAO ka tsy nohenoiko izany niteny
Ny fitiavako anao no noporofoiko tamin’izy ireny
SATRIA TIAKO IANAO ka tsy nahoako izay nandrara
Satria ianao ihany no tiako sy inoako f’efa anjara
KA hoantsoiko hoe Malala

Zo Ryan
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zo Ryan
Vangy : 1184
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Zo_Ryan_Page_Musique
Daty : 26/12/2020 00:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2649