MANDALO NY ETY (Zo Ryan)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indraindray isika manadino
ndraindray koa mila tsy hino
hoe FANDALOVANA NY ETY
Fa variana amin'ny filàna
tsy misaina izay hiafarana
rehefa ary ankoatra ary
Ndao hararaotina dieny mbola miaina
Hifankatia hifanao soa
fa tsy hisy honina ety mandrakizay doria

Ka andao hiaraka hifandray tanana
Hifampizara hafaliana ,
Hiara ory amin'ny fahoriana
tsy hisy hifandrafy fa ho mpinamana,
ka Hihavana

Ireo noraisinao ho fahavalo
nanananao alahelo
Androany izy lefero
Sao hanenina rahampitso
rehefa lasa izy tsy eo intsony
hantsoin'Ilay RAY ao ambony

Ndao hararaotina dieny mbola miaina
Hifankatia hifanao soa
fa tsy hisy honina ety mandrakizay doria
Ka andao hiaraka hifandray tanana
Hifampizara hafaliana ,Hiara ory amin'ny fahoriana
tsy hisy hifandrafy fa ho mpinamana,
ka Hihavana

NDAO HIFAMELA
NDAO HIFANDEFITRA
NDAO HIFANAO SOA
NDAO HIFANKATIA
FA MANDALO NY ETY
TSY MISY HO DORIA
Zo Ryan
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zo Ryan
Vangy : 619
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Zo Ryan Ofisialy
Daty : 31/03/2022 06:52
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0463