Tiany ianao (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mba vola na harena
Izay heverina hahasoa
No ahazoana famonjena
Fa ny Ran'ilay Tsitoha
Fa Jesoa nanolotra Aina
Nanavotana ahy sy ianao
Famonjena tsy mba nosandaina
No indro atolony raha mino ianao

Tiany ianao,
Tiany ianao
Tamin'ny Rany soa
no nanavotany anao voafidy
Tiany ianao,
Tiany ianao
Ka nomeny fahafahana
handova lanitra

Tsy ny fahoriana an-tany
No hamaritra ny dia
Ny toloko sy tomany,
Tsy hoe taratry ny ary
Fa ny osa sy mijaly
Tsy afaka ady sy talaho
Mbola afa-manantena hifaly
Raha manaraka Azy dieny izao

Tiany ianao (eny tiany)
Tiany ianao (ka novidiny)
Tamin'ny Rany soa
no nanavotany anao voafidy
Tiany ianao ( eny tiany)
Tiany ianao (dia novidiny)
Ka nomeny fahafahana
handova lanitra

Ouh...

Ka nomeny fahafahana
handova lanitra...

Tsy ny marina no antsoina
Fa ianao izay efa lao
Tsy ny olona manoina
Fa ianao izay nandao
Izany no antom-pijaliany
Nijaliany noho ianao
Ianao ilay very, nefa tiany
No namoizany aina toy izao

Tiany ianao (eny tiany)
Tiany ianao (ka novidiny)
Ka nomeny fahafahana
handova lanitra...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Miantefa
Vangy : 446
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Namana tsy mahafoy
Daty : 10/05/2022 23:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731