Kalon'ny voavela (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsapako maivana aho
Rehefa injay navelanao
Ny ota sy ny fahadisoako
Raha niantso Anao ry Tompo
Ilay rindrim-pahotana nisy teo
Narodanao tokoa
Niova ho fifaliana ireo toreo
Ka miadana ny fo

Tsapako maivana aho
Rehefa injay navelanao
Ny ota sy ny fahadisoako
Raha niantso Anao ry Tompo
Ilay rindrim-pahotana nisy teo
Narodanao tokoa
Niova ho fifaliana ireo toreo
Ka miadana ny fo

Fa sambatra izay voavelanao ny helony
Mba miavaka izay rehetra nanavao ny ENINY
Eny iray tena fatratra
Manaiky Anao mba ho filamatra
Ho Mpamonjy sy ho Tompom-piainany

Fa sambatra izay voavelanao ny helony
Mba miavaka izay rehetra nanavao ny ENINY
Eny iray tena fatratra
Manaiky Anao mba ho filamatra
Ho Mpamonjy sy ho Tompom-piainany

Tsapako maivana aho
Rehefa mba namela ihany koa
Tsy nitana tao anaty tao
Ny fahadisoan'ny namako
Na vao haingana na ela
Izay nataony efa navela
Tsy hanaraka ny hoaviko

Fa sambatra aho
rehefa injay namela ny helony
Fa miavaka izay nositraninao ny feriny
Manam-piainam-pifaliana
Heniky ny fitahianao
Noho Ianao Jesoa fitiavana

Fa sambatra izay voavelanao ny helony
Mba miavaka izay rehetra nanavao ny ENINY
Manam-piainam-pifaliana
Heniky ny fitahianao
Noho Ianao Jesoa fitiavana
Noho Ianao Jesoa fitiavana
Eo Ianao Jesoa Mpampihavana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tarika Miantefa
Hits : 531
Likes : 1 Like
Created by : Namana tsy mahafoy
Date : 10/05/2022 23:49
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732