Lalam-pamonjena (T.I.A Andraisoro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Dia nakipiko ‘reo masoko anakiroa
Mba hisain’indray ilay lalana vitan’I Jeso
Tao Gologota mba hamonjy ny mpanota
Niaritra ‘reo kapoka nalaimbaraka vasoka
‘reo namany aza moa sahy nandao sy niala
Nanontaniana ninia tsy nahalala nefa mpianany
Nilaza tsy handao na hoviana no nisitaka mangina

     Tompo ô! Noho izao ve no nahatonga Anao niaritra ny ngidy
     Nokapohina novoina tsy afaka nisafidy
     Lalam-pamonjena hanavotany izao tontolo izao
     No nizorany ho ahy sy ho anao

2- Ireo olona ‘zay teo nanakora ny niainana izany tsy mba mora
Ireo fandantsana teny an-dalana nombana
No indray niaretana niampy vesatr’entana
Dia Ianao indray no niantso famelana
Nangataka amin’I Ray noho ny tsy fahalalana
Nefa olona manombo amin’ny hazofijaliana
Toa tsy foinao ho ariana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : T.I.A Andraisoro
Hits : 333
Likes : 0 Like
Created by : Mahenitsoa
Date : 14/07/2023 13:02
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1073