Ampidiro aloha ny tenimiafina
Miandry anao (SVM Andon'i Hermona Soavinandriana Itasy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Ho anao variana sy sondriana ery
Variana mankamamy ny eto an-tany tsy aharitra ho doria
Tsarovy fa Jesosy tia tsy mba hamela anao ho very
Antony izy dieny izao anio izao
Ref:
Miandry anao Izy izao
Tsy mba sasatra ny miantso anao
Miandry anao hiverina ilay Tomponao
Faingana ianao aza variana
2.
Ho antsika efa nanolo tena koa
Hazomy mafy ilay anjara ho anao izay natoloNy
Ka tanteraho ary zarao ireo hafatra izay nataoNy
F'izany no tena mahafaly Azy izao
Ny fitiavana no tena didiny
Mba ahafantarana f'iray tokoa ireo miombona aminy
Ka 'ndeha re mba hifankatia sy hifampivavaka hatrany
Ety an-tany ka hitohy an-danitra
Ref:
Miandry anao Izy izao
Tsy mba sasatra ny miantso anao
Miandry anao hiverina ilay Tomponao
Faingana ianao aza variana
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : SVM Andon'i Hermona Soavinandriana ItasyHits : 208
Likes : 1 Like
Created by : AndryNomenjanahary
Date : 23/05/2025 08:55
