Sambatra ny mpampihavana (STK AKRIFI (SERA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tianao ve ny ho zanak'Andriamanitra
ka handova fanjakan'ny lanitra?
Jesoa tokana no hany lalana, fahamarinana ary fiainana.

Izay mino azy dia hirahiny
hanao asa toy izay nataony koa.
Ary anao lehibe noho izany aza satria niakatra izy eo ankavanan-dRay.

Izaho sy inao raha toa manolo-tena izao
ho tonga fantsom-pampitana hafatra
Na dia sarotra aza mahafinaritra, satria mitory fiainam-pitiavana.

Sambatra ny mpampihavana, f'izy no atao hoe zanak'Andriamanitra.
Sambatra ny mpampihavana, f'izy no atao hoe zanak'Andriamanitra.

Raha mety ianao andeha hiaraka,
horesena ilay mpampisaraka.
Ndeha atao ny asa nanirahana, sambatra ny mpampihavana.

Ô ry havako, katsaho fatratra
izay hanana-piainam-pahasambarana.
Fa ny marika ahafatarana, izay mpianatra dia fitiavana.

Sambatra ny mpampihavana, f'izy no atao hoe zanak'Andriamanitra.
Sambatra ny mpampihavana, f'izy no atao hoe zanak'Andriamanitra.
Sambatra ny mpampihavana, f'izy no atao hoe zanak'Andriamanitra.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : STK AKRIFI (SERA)
Hits : 235
Likes : 1 Like
Created by : stonynantenainasylvio
Date : 18/12/2023 14:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
Other titles
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3881