Savolaina (Silo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
'Ndray maraina, somary savolaina
Vao nifoha, narary ny an-doha
Niezaka nanokatra ny saina
Ny omaly adinony avokoa

Dia nandray sigara vaovao
Hitadidy ny lasa rehetra tany
Tsy hay intsony mantsy izay natao
Ny tany ambony lasa tany ambany

Haka kely, hitroka kely indray
Rivotra iainana any anaty
Avelao izy indraindray
Fa iny izy no mahafatifaty

Diso be, ratsy koa ny ataony
Fa ny marina tsy hita eto an-tany
Ireo hira sy reo zay fanaony
No hamafana izany adalany izany
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Silo
Hits : 2612
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 13/05/2015 13:04
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714