Aina (Silo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(extrait de l’album MIFANDAMORO de SDF, le groupe fondé par Silo)
Paroles et musique : SILO ANDRIANANDRAINA

Efa voafidiko loko
zay omena anao
Ilay fanantenan’ilay foko
ho anao-2
Tsisy anenenako intsony
ny hanome anao
Ilay foko efa lasa nandroso
ho anao-2

Nentiko ary
nentiko atsy
Ts’hitako zay mahazak’azy
Mbola ho ary
mbola ho atsy
Zaho indray no hijaly
Nefa aky nefa aky
Ianao toa manana ihany
Ilay tena fitia ilay tena fitia
Io ianao io lazaiko eto fa

Tiako ny hiaraka aminao
Tiako, averimberiko indray fa
Tiako zakampitiavana aho
Tiako tsy voalazako intsony e

Tiako tena fitiavana ianao
Iriko ho renao anie zany antso izany
Tiako tiako tokoa ary tena tiako
Aina...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Silo
Vangy : 4658
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 22/08/2002 13:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2153