Misaotra anao ry Ray (Silo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
misaotra anao izahay
fa nomenao saina afaka hanaiky
fa ny eto an-tany dia akaiky

misaotra anao tokoa
satria ianao
mihaino anay izay madi-doha
zazakely be lalao

misaotra indrindra Ray
fa tsapanay
ny lalana nalehanao
hamonjy ireo zanakao

misaotra ihany koa
nomenao fo
idobodoboka any anaty
velona mandrapaha-faty

izay atao ety
tsy tody lavitra mankaiza
raha tsy ianao no mitarika ny dia
na ho aiza na ho aiza

soa fa ny fitia
ifanomezanay ety
ferana tsy ho lasa zavatra hafa
hifanimba hoan'ny an-kafa

misaotra anao satria
ianao fitia
mahay mandamina izay miady
na mpinamana na mpivady

misaotra foana foana foana
amin'ny ilay fotoana
natolotrao mba ho anay
ho lovanay mandrakizay

harena be rahatrizay ...
ho lovanay mandrakizay ...

Nadika avy tamin'ny rohi : https://www.youtube.com/watch?v=1FjLByg1VWI
Fragg_rzfrsn
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Silo
Vangy : 1041
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : fragg rzfrsn
Daty : 14/04/2021 23:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8134