MONEY (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ajanonymihitsy aloha ilay costar
Tsy alahady ny andro
Tsy hoe hamojy fanasana
Na lanona amin ity atalata antoandro

Sahala tsy handeha hitady vola \\’ty
Fa hamonjy kefaransy
Mba manan-javatra ho teneny ve
Sa hamonjy ny ambiansy

Fa n\\’inona n\\’inona ambaran ny olona hiantso hoe
si vous avez de monnaie monsieur ca ne fait rien
Na ho toky na ho fitaka e
Na ho felaka na ho fingana
si vous avez de monnaie monsieur ca ne fait rien

Na ho afoiny izay hananany
Na ho atao ankeriny ny zanany
si vous avez de monnaie  monsieur ca ne fait rien
Dia tapenany ny sofiny
Fa ny tanany no atolony
Izy mianakavy hibadabada hoe
Sao dia misy vola kely aloha hindramina e

Fa hafa mihitsy ny taloha e
Fihavanana no ambony
Fa rehefa miova ny tantara
Dia efa miova koa ny fony

Fa ny ampitso izay tsy fantatra e
Izany aloha dia tsy haiko intsony
Fa rehefa kodiny iny no misy
Dia efa izay no alaina rony

fa ninoninona...

Fahatrana ve sa ozona e
Tromba sa  lolo
Fa toy ny firaka hatakalo
No manjo ity vahoaka manontolo

Mivezivezy etsy sy eroa
Mbo mitady mahasoa
Nefa toa tsy misy zavatra hafa mihitsy
Vola ihany no ao an-doha

fa n\\’inona n\\’inona...
Ampazahoy vola be mihitsy aloha mba hohanina e
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Samoela
Hits : 4711
Likes : 0 Like
Created by : ROHANS
Date : 27/02/2005 08:50
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124