Omeo ny vaikany (ft Didax) (Sambilo & Yaroun)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Kobon'ialahy, kobon'ialahy ity!
itony ny kôfa zanaky ny làlana sy ny elakelan-trano.
Maraina dia mody masoandro ny mba mila kely manerana ny tanàna.
Nofy raha i Gasikara no mandry fahalemana, handry fehizay.
Fa amin'izao ny diavolan-ko ho lava mbola ny ela ny lalao.
Amin'izao hoe, amin'iza ? fa taiza ? Razoky kely dôzy kely io fa mi-12.
Ny ambany tany ity tsy mikorosy, tsy lavitry ny alavirana.
Mikorosoyanaty ngizina.
Lasana fa ny traviko anaty katroka.
Aleo Nosy-lava izay miketrika ihany fa trop.
Ady hevitra kely rehefa kobo RaSambilo ô!
Avaratra big up koa ireo, Atsimo ny feo Didax sy Yaroun. 102 koa kobon'ialahy;
Mitopy ny maso, ialahy mitongizina!
Boda fa ady ny fiainana.
Manahirana hatramin'ny ara-pitiavana.
Izany tokoa, mihazakazaka hatramin'ny ara-nofo
Mivoaka mirongatra fa dôziny aho.

Sambatra izay mahatsapa fa filàna tsy azo hialàna fa efa ireo ny akàma ka!
Sambatra izay mahatsàpa fa izay nôrma amin'ny filinina amin'ity kôzy dia kôpy.

Asio feoko ny ambanin'ny tany, asio feoko ny kamikazy!
Fa raha mandaka ny bôtin'ny kôfa tsy zakan'ny tsenan'ireo sarim-bavy.
Fa raha mi-Rap aho, mahafaty aho, tsy miraty aho, mampitapy aho!
Ampibontsimbontsina ny oron'ny pelaka mpanenjika ahy.
Sambilo hizôzy ritsoka anafay (fay)
Amin'ny Rap aho manditsoka mamay (may)
Maro sampana fa fototra iray (iray)
103 mbola hijoro hotafaray a (ray)
Anitsinitsy tsy tàna amin'izato làlako efa mijoro,
Fa ny avaratra no vanon-ko Rap noho ireo Sorabe fehizoro.
Izaho tsy handany andro hiaino kisme hikôty bandy hifandamoro,
Sambilo tsara fanahy izay diso làlana avy raha atoro.
Hatreto mijoro ny avaratra tsilo mipersa aho amin'ny antsy maranitra;
ho an'izay mangery tsy lavidavitra mifitra eny Ambatomaranitra!
Ity no vaikan'ny Rapin' ny bandy anio fa anenika an'ny Tanà.
Ka hikifa foana ny kôfa ho kamikazy aho rahalahy.
Ka atsy ho atsy, ho lova avelan'ny kôfa ny haintso haintso eto Madà!
Sambilo tsy miala anatina P/RA.
Ka atsy ho atsy, ho lova avelan'ny kôfa ny haintso haintso eto Madà!
Sambilo tsy miala anatina P/RA.

Sambatra izay mahatsapa fa filàna tsy azo hialàna fa efa ireo ny akàma ka!
Sambatra izay mahatsàpa fa izay nôrma amin'ny filinina amin'ity kôzy dia kôpy.

Sarotra tamiko raha tsy nahalala ny fahombiazana.
Vory lanina, ireto akamako nikaon-doha ho teny fambara.
Raha tazana, an-kafanàna nampiely ny teny tsy ho fahazazana.
Nampisy ny fahalalana ka ankahalalahana no nahatsapana.

Fa ity tanjona hampiely ny kolotsain'ny tanànanay
Tanànan'ny Be-ara, ny Atsimo mandrakizay.
Feno voninahitra ny mozikako miampy ny feoko mafimafy!
Izay mihaino aoka hihaino tsy hitampin-tsofina ka hifanaratsy.
Fa ny fihetsika tsy maintsy ho tazana, tsy amin'ny fitaiko no tazanina!
Zava-bitako eo anivon'ny manodidina izay voa fanina.
Mihodidina izay voa fa hitampih-tsofina izay tsy tia.
Tsy hokolikoly fa kolotsain'ny làlan-kizoran'ny dia.
Ny vaikany mafy, tsy miova amin'ny fanantenana ny voa izay nafafy
Ka hijinja ny eo am-pelatànana omeko ho an'ialahy mafy orina tahaka ahy.
Tsy hafoiko ho an'ny hafa ity tontoloko tsara loko
Nefa tsy tiako raha toa ny an'ny hafa no kalokaloina ho fitia.
Hiantsapazo fa mendrika ny rap gasy, ataovy hoe mafy!
Fa sarotra amiko ny miala raha toa miova amin'ny mahazatra.

Sambatra izay mahatsapa fa filàna tsy azo hialàna fa efa ireo ny akàma ka!
Sambatra izay mahatsàpa fa izay nôrma amin'ny filinina amin'ity kôzy dia kôpy.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Sambilo & Yaroun
Hits : 1429
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 15/11/2015 14:08
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768