Fitombenako tsy ataniko afo (Sambilo & Yaroun)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitombenako tsy ataniko afo
Madagasikara ! Antananarivo !
Sambilo & Yaroun
Ny fitombenako tsy ataniko afo
Tsy amidiko amin'ialahy ny vodiko bandy

Levona ny maha-malagasy miovaova hatramin'ny fiteny,
tsy hita soritra hatramin'ny fotony ireo kolotsaina sy fahendreny.
Valalan'ny tôtôsy sa fitombenan'i Tosy ? Tsisy tsiny
Ny zava-bita eto an-toerana aza ambakain'ny vita vahiny.
Mba hafahafa ny fivoaran'ny fandrosoana eto amintsika,
Hatrany amin'ny sehatrin'ny kolontsaina avy no hidirana resaka politika.
Diplômatika nofinofy lavitry ny taktika ny nosintsika
Fahatongavan-tsaina, aiza ho aiza no misy antsika ?

Ô ry ilay ity, ity tosiky ny setrasetra anatina cromi,
Fahanginana ho an'ireo moana fa ny ahy demokrasia.
Tataka tatavy, ny maha-gasy mihitsy no efa lafo,
Ataovy an-tsaina ry tsamy fa ny fitombenako tsy ataniko afo!
Ny rova no kilan'ny afo fa ny kolotsaina mbola mitoetra,
Atsipiko ity kôzy ity ho an'ireo gasy rehetra rehetra.
Anatin'ny rano maimbo mahita faisana amin'ny fiainana sarotra,
Aza manaiky ry ireto a, kolotsaina tsy entam-barotra.
Ry tanindrazanay malala ô, ry Gasikara soa !
Ankehitriny izato ianao anjakan'ny vozongo sy ny sinoa.

Fantaro! Fantaro ihany ny hazo boboka hifikirana sao sahirana,
Ka hamadibadika ny lela fanim-pitony.

Tsy ampahafirin'ny rivotra andalo mitsoka eto Gasikara,
Fa ny fiteny avy no tsaraina na tsy gasy ofisialy.
Mandeha hatramin'ny tosika ara-môraly, nefa tsy faly,
Kakao hitrosina amin'ny tany hinane....!
Fa tsy hisy ahodina ka ahafahana milafika ny amban'ny tafo,
Milafika ny andro manàra fitombenako tsy ataniko afo.
Am-paosy mila tazanina, miketrika ny ho olom-banona,
Manodina ny lahateny sy ny asa-soratra maro sahanina.
Hitako ialahy fanina kofona sanina,
Hikimpy ve no hiaka-tohatra ka aiza no tsy hikapa ranony.
Izany ny kanto, Santionany, feno kalitao ny talenta ,
Am-paharetana, nameno ny isan-taona niketrehako .

Safiotra ny zanaka malagasy amin'ny fomba fikôzy.
Sambilo & Yaroun anatiny fanondranana môza
Azafady, kolotsain'ny kôfa amin'izao ihany koa ilay be lapoaly,
Tsy hoe raha toratorahan'ity amin'ny raozy "bleu marine" izahay dia faly.
Domberina mifamaly ny ritsoko anio ampitso omaly.
Tolory tànana izay tsy afaka, mahatsiaro fa mijaly.

Gasikarako ô, tanindrazana, tany ngazana
Rovi-kilaoty ny zanaka gasy fa ny fiainana màzana.
Tsy misy miraharaha ny kalitao, ny kaly kanto fa any amin'ny kaly,
Dray ity fiainako : toaka dia kalia.
Taonjato miovaova ny sivilizasiona vaovao ,
Tsy hita intsony ny maha-gasy fa efa mi-"string" indray izao
No fomba amam-panao, mariky ny toe-tsaina,
Mitanjatanjaka ny sipa dia ny kôfa manaparitaka tsirin'aina.
Ny fomba fiaina vahiny no indro eo amin'ny gasy no sady manjanaka.
Ny firaisana ara-nofo no mba lova ho an'ny taranaka.
Izany no kolotora hita taratra ankehitriny nefa izaho tsy ho fotsy rora ;
Ka iza no omena tsiny? nefa tsika mba mifora
Ny maha-gasy no efa lafo, ka andeha ho aiza intsony?
Ny fitombenako tsy ataniko afo.

Fantaro, fantaro ihany ny hazo boboka hifikirana sao sahirana,
Ka hamadibadika ny lela fanim-pitony.

Sarotiny tamin'ny fomba fiasa ka fony nisy tsy naka fototra.
Ity tsy tambazana, ity kely ampihetsika lava efa tazana.
Lava-maso ka hitazan-davitra,
Fa miaina izy lasa lavitra fa nofinofy ary ve no hitazomako ny gadona ho tonga lafatra?
Ny aty amiko no afafiko, tsy izay tian'ialahy no ampitaiko.
Hafa ny feo mampihetsika vody fa ity feo mampisaina.
Ananako ny ampinga fototra, tazoniko ny teny fanamby
Lazon'ady matoa mijoro fa feno fisehoana ny tany.
Ao ny ambany tany, ao ny tsy ambany tany fa ny ahy ity ambany "dalle"
Tsy lova-tsofina zàry tandrametaka fa ny ahy ity ambany "dalle"!
Tsarovy fa izaho tsy te-hahalala ka ampianarina gadona ivelany,
Tsy mandeha amin'ny piesin'ny kôfa ireny, tadidio fa hary elatra,
Fa tsy ho voasolon'ny akamakama, tsy hilahatra hampidera lamaody.
Tambitamby no sarotra inoana hambabo ny talenta ho kidôna.
Miriaria fa mana-talenta, matikambo ka te-hoderaina;
Voahozongozona hatramin'ny faka matoa tsy mitazona ny kolotsaina!
Fa ho an'ny làlana, tsy ho an'ny tevana mangadihady fa fikatsahana,
Ny herin'ny mozika eny an-dàlana, mifono fahafahana.

Ireo, akombony fa toa ny eo ihany no eo!
Feo, henoy tsara raha tsy fantatrareo !
Ahalalany fa tsy sangy ity ny kôzy ampitaina eoah!
Fa tsy sangy ity ny kôzy ampitaina.

Fantaro, fantaro ihany ny hazo boboka hifikirana sao sahirana,
Ka hamadibadika ny lela fanim-pitony.
Ireo, akombony fa toa ny eo ihany no eo!
Feo, henoy tsara raha tsy fantatrareo !
Ahalalany fa tsy sangy ity ny kôzy ampitaina eoah!
Fa tsy sangy ity ny kôzy ampitaina.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sambilo & Yaroun
Vangy : 1320
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/11/2015 14:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718