Omeo azy (SALSA Ziona Fahazavana Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Rehefa tonga ny Noely marobe ireo mifaly
Nefa kosa misy fery ireo mahantra sy mijaly
Mosarena izy ireo amin'izao Noely izao
Masikiny mitoreo mba omeo raha sitrakao

REFRAIN:
Rainay ô! Ilay mpihantra, 'Lay Mesia 'zay tonga anio
'Reo kamboty sy mahantra mba Jereo sy ampio
Ka Ianao no ho tafiany ary ho fiainam-baovao
'Zay rehetra faniriany Omeo azy re izao

2- Misy koa ireo marary lany vola sy harena
Tsy mba afaka mifaly mba Ihantrao fa mahonena
Fanafody ho azy Ianao ka Sitrano sy Vonjeo
'Zay tadiaviny Aminao, mba Omeo azy ireo

REFRAIN:
Rainay ô! Ilay mpihantra, 'Lay Mesia 'zay tonga anio
'Reo kamboty sy mahantra mba Jereo sy Ampio
Ka Ianao no ho tafiany ary ho fiainam-baovao
'Zay rehetra faniriany Omeo azy re izao


SALSA FJKM Ziona Fahazavana Anosibe
A/C RAHADRA MAHEFA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SALSA Ziona Fahazavana Anosibe
Hits : 1088
Likes : 1 Like
Created by : niainarahadra
Date : 31/01/2018 17:35
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3811