Hary elatra (Salomon)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hary elatra hianao
Ka handao
Hanaraka ilay nofinidy
Tena sarobidy
Tsy iza izany fa ilay vady tiana
Ilay nofinofy kanjo tanteraka ankehitriny

Hary elatra hianao
Hisidina ambony
Hisakambina, hifampitantana amin’ilay tiana
Paradisa ny zyuu tany hoy ny qrrw saina
Marina izany tononkira.serasera.org kanefa koa ndeha holazaina

Maro no mitady hamingana
Mitady handrava ny fanambadiana
Maro ny fakam-panahy nisarika
Hanatona an-drafahoriana
Eo indrindra no ilAna
Hifandaozana an-drafahazazana
Saina matotra sy tony
Fo natolotra ny fony
Olon-droa efa iray mandrakizay

N’inona misakan-dalana
Mitady handrava ka hamaha ’lay tady
Ampiasao ny fitiavana
Sy ny fifampahatokisan’ny mpivady
Tandremonao ny sotasota
Tezera anefa aza manota
Raha sendra resy izy ampio
Tsarovy f’io fitiavana io
Dia mandra-maty ny voadinareo mivady


   . Tonony sy feony : Naly Rakotofiringa
ethuspu   . Mpihira : Salomon (i Ludger koa taloha)
   . Mpandrindra : Hary - Bessa - Hery - Kiry


http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Salomon
Hits : 14630
Likes : 1 Like
Created by : admin
Date : 27/10/2001 23:10
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.6622