TADIDIO (ROLF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza re no hitodihana mba ahitana ilay fandeferana tsy adino ô
Fa mbola ho avy, betsaka ny andro mafy ka aleo miara-miaina sy mifanampy
Iza no resy, iza no mandresy ?
Raha kolako ianao, ianao rahalahiko, kola koa aho ka aleo isika hikalo hoe :

Mora amiko ny manampy anao, sarotra amiko manankana anao
Maivana amiko ny mibata anao, mavesatra amiko ny mampianjera anao
Ny hamadika anao dia tsy ho vitako

Ny fahandriampahalemana tadidio, ilay fitiavana re olona ô

Ny boky rehetra mitantara hoe : »olon-droa mifankatia no razan’ny olombelona rehetra »
Mpianakavy daholo e, isika rehetra eto an-tany, mpiavana mifanaja no dikan’izany ka
Iza no mafy, iza no malemy ?
Raha halako ianao, ianao no havako, ho an’iza ary aho no mba hihira hoe :

Mora amiko ny manampy anao, sarotra amiko manankana anao
Maivana amiko ny mibata anao, mavesatra amiko ny mampianjera anao
Ny hamadika anao dia tsy ho vitako

Ny fahandriampahalemana tadidio, ilay fitiavana re olona ô

Mafy amiko ny mankarary anao
Lava amiko ny mampiandry anao
Loza amiko ny mamono anao
Henatra amiko mifosa anao
Alaheloko ny mandao anao
Adin-tsaiko ny manahirana anao
Hasambarako ny mampifaly anao
Faniriako ny hahatafita anao…
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : ROLF
Hits : 2956
Likes : 0 Like
Created by : Sariaka
Date : 15/12/2003 06:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747