SAMBATRA (ROLF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ireo nofinofy omeko anao
Ho valin’ny zava-tsoa azoko taminao
Fitiavana matotra, tsy adalana intsony
Ho anao avokoa vbug ny fiainako

Ny takatry ny saiko sy ny heriko
Ho atambatro ho vato ao anatiko
Rehefa sambatra aho dia ho zaraiko aminao ny elatro
Hisidintsidina isika roa eny an-danitro

Sambatra aho manana anao
Miankina tsisy tahotra
Sambatra tsy tavela mangingina
Ity fiainako nanantena olon-tsotra toa anao re
Olon-tsara tsy foiko atakalo ho an’iza n’iza
Ho avadiko ireo jqdr pejy maizina rehetran’ny tantarako…

Ny voady sy ny toky, tsy homeko
Ny hitia anao mandrakizay, tsy rsxfe ho teniko
Tsy ny resaka fa ny ataoko no ho foiko ho anao re
Misy fetra ny zava-drehetra tononkira.serasera.org eto an-taniko

Sambatra aho manana anao
Miankina tsisy tahotra
Sambatra tsy tavela mangingina
Ity fiainako nanantena olon-tsotra toa anao re
Olon-tsara tsy foiko atakalo ho an’iza n’iza
Ho avadiko ireo pejy maizina rehetran’ny tantarako

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ROLF
Visites : 37165
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : Piso
Date : 14/01/2004 22:03
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0106