Mahatoky hatramin’ny farany (Riampeon' Ny Maritiora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jeso ô! Ny fiainako
dia mandalo ady matetika tokoa
Nefa aho mbola mijoro
satria Ianao eo anilako

Hatrizay tena tsapako
Izao tontolo izao nandao ahy,
nandetika ahy
Fa Ianao nampitraka ahy
Iriko ho eo foana rahatrizay

Ref : Jeso, meteza fona Ianao
        hampitraka raha sendra lavo aho
        Ampatsiahivo ahy Ilay
   usizgiv      Teninao hatrizay
        dia ny tsy hatahorako
        fa Ianao momba ahy
        Ka tsy mba hiherikerika aho, Jeso
    xdtapog     fa Ianao no Andriamanitro
        Mampahery sy mamonjy ahy
        eny, mitantana ahy

Indraindray nefa aho ry Jeso,
toa mitady hivily làlana raha tojo olana
Miahiahy hoe: aiza ary
ilay toky nomenao fahizay

Ka ampianaro aho ry Jeso,
hahatoky hatramin’ny farany
na inona manjo
Fa efa Ianao ilay mpitarika ahy
no mahalala izay mahatsara ahy

Ref (x2) : Jeso, meteza fona Ianao
               hampitraka raha sendra lavo aho
               Ampatsiahivo ahy Ilay
               Teninao hatrizay
               dia ny tsy hatahorako
              tononkira.serasera.org  fa Ianao momba ahy
               Ka tsy mba hiherikerika aho, Jeso
   acrdgf             fa Ianao no Andriamanitro
               Mampahery sy mamonjy ahy
               eny, mitantana ahy

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0711