Hafa mihitsy (Reko - Fy & His Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy fitsikiko iray fanaoko rehefa indry no miantso ahy.
Eto aho dia toa variana dia variana, tsy fanahy iniana na hoe fidiana ilay tsiky fa izany angamba no atao hoe tia.

Misy teny roa, eo am-pototry ny molotro.
Tsy ho lazaiko, tsy tantaraiko, na hiraiko mandra-pikiakako faran’ny aiko, ho ren-dry.

Indry anie hafa mihitsy.
Manome, tsy mitsitsy.
Hianarako miaina sy mitia isan’andro ny anilan’dry.

Ref:
Tsy haiko aloha na hain-indry fa izao no tsapako,
Ny fitempon’ny  fon-indry no gadona andihizako.
Eto aho dia miodina, miodina, miodina mankafy.
Eny miodina, miodina, miodina anilan’indry.

Misitery ho ahy,
Ny mason-indry manavatsava fanahy.
Madio mangarahara, tsotra nefa tsara, manambara fa tsisy tahotra ny fitia.

Ny fijery roa,
Nefa ny fon-indry toa mitempo ao an tratrako.
Fanamby ho an’ny saiko, tosika ilaiko, mampatsiahy fa ety an-tany aho natao hankafy.

Indry anie hafa mihitsy.
Manome, Tsy mitsitsy.
Hianarako miaina sy mitia.
Miaina sy mitia.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Reko - Fy & His Band
Hits : 9038
Likes : 1 Like
Created by : DahRomy
Date : 07/08/2023 22:08
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9024