Rediredy (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Andriamanitra mahay
Mivalaketraka izahay
Fa misy loza tonga foana
Efa hiteny anie ny moana
Hitanao ny tany miady
Isanandro ra mandriaka
Mamono ny horohorontany
Ka tehiantso anao hikiakiaka

Ny fihirana sy Baiboly
Poizina ho an'ny devoly
Tsy asiany maso akory
Tata-bava izay mitory

Fa ity taninay mijaly
Angaha miafina aminao
Reo ratrany efa omaly
Takaitrany io mandrak'izao

Fa ity taninay mijaly
Angaha miafina aminao
Reo ratrany efa omaly
Takaitrany io mandrak'izao

Mihitatra ny fahotana
Ny habibiana sy hadalàna
Nandositra ra-Fahendrena
Napetrany ny firenena

Mila anao Jesosy tiana
Hanongotra ny haratsiana
Ny fanahy maty noana
Ianao tsy hita foana

Atsipazo mihitsy androany
Raha lakile no hiakarana any
May anie ny volotratra
Ny loza ity mihatra

Ry Andriamanitray mahery
Efa ela izahay no manina anao
Ilay fahefana mba handresy
Omeo fa efa fanina.

Ry Andriamanitray mahery
Efa ela izahay no manina anao
Ilay fahefana mba handresy
Omeo fa efa fanina.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rebika
Hits : 123
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 13/03/2025 12:36
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0902