Lanto (Rebika)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy tahotra, tsy henatra fa sahyRy Lanto ô ! vitanao ny nanosy ahy
Niantsampy ianao teny an-tsandrin’olon-kafa
Ry Lanto ô ! ny foko anie ka mbola toro sy maratra
Nahoana ianao no tsy niteny
Fa tsy rariny kosa ireny
Teo imasoko no sakambininao
Iny olona iny
Tsy hitako izay azo atao
Teo imasoko no sakambininao
Iny olona iny
Tsy hitako izay azo atao
Tia anie aho, fa saingy tsy voajery
Ry Lanto ô !
Ny foko anie ka feno fery
Saingy tiana ianao
Kanefa dia nandao
Ry Lanto ô !
Tsisy fo mitempo intsony ve aminao
Fa maninona raha tsorina
Rehefa tsy tianao dia mionona
Tsy nampoiziko tokoa izao
Fa misaotra anao
Ao fa ho zakaiko ny ahy
Tsy nampoiziko tokoa izao
Fa misaotra anao
Ao fa ho zakaiko ny ahy
Ry Lanto ô !
Tsisy fo mitempo intsony ve aminao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : RebikaHits : 8039
Likes : 1 Like
Created by : Lalao Jim Hasina Samuel
Date : 20/08/2015 11:23