Géographie (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba saino fa aza miangatra
Na saro-piaro koa
Ry Ray sy Reny nisambatra
Nampiaraka taloha ao ao

Ny ankizy raha mitambatra
Tsy aditrana moa
Fa tsara raha manandrana
Mba mifambabo fo.

Ny fahafinaretana,
Fikaroka tokoa
Traikefa anie no entina
Vao manana ny soa, mba marina moa

Raha jerena ao amin'ny Jeografy
Dia tsisy tany tsy misy fitia. (x2)


Solo .......

Nareo no rafozaniana
K'aza sendaotra aloha
Lehibe ny ankizy mila revy koa izy
Ny fony mihintsy no mizara roa

Nareo tsy nahafantatra
Fa izy anie be loha
Ny fiainany voasantatra
Nomeny antsitra-po

Ny Gidro any an'ala aza
Manana malala
Ireo nahazo taona
Tsy miala foana

Jerijereo amin'ny Jeografy
Fa tsisy tany tsy misy fitia. (x2)

Ny Gidro any an'ala aza
Manana malala
Ireo nahazo taona
Tsy miala foana

Jerijereo amin'ny Jeografy
Fa n'iza n'iza mankafy
Jerijereo amin'ny Jeografy
Fa tsisy tany tsy misy fitia
Jerijereo amin'ny Jeografy
Fa tsisy tany tsy misy fitia.
Jerijereo amin'ny Jeografy
Fa tsisy tany tsy misy fitia.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rebika
Hits : 1853
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 20/03/2018 20:36
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078