Makarakara (RAMIAN)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Lasa baraingo ny hoavintsika
Ny loharano anie mety ho ritra
Zara-fa mihaona ka tsy ho tafita
Mahatonga saina ny tantarantsika
Tsy tafahaona matetika,
Ka hataorako hilentika,
Fakam-panahy mampisaraka,
Ireo namanao tsy ho fitaratra!

Bridge:
Tsy sarotiny ny amin’ny anananao namana!
Fa indraindray adinona ny fisiako oh!
Fitiavana tsy voakolo anie ka hifarana!
Ka tsy aleo ve mandinika ny hoavintsika oh

Refrain:
Mila fotoana fa sao tsy sahala
Tsy matoky aho lasa misalasala
Tsy sitraky ny foko anie ny hankahala anao!
Fa ny antsika roa anie makarakara
Raha misy ny ezaka mbola tsy tara
Misy fotoana zah mila anao,
Hanafana sy hikarakara …

2.Namana anie mety hiserana
Fitiavana koa tsy aharitra
Raha sendra valaka niezaka,
Aleo tsy misy toy izay terena ah!
Fa tiako ianao ho tia ahy oatran’ny hitiavako anao!
Nefa sarotra ny mifanery ka aleo amin’izao!

Bridge:
Tsy sarotiny ny amin’ny anananao namana!
Fa indraindray adinona ny fisiako oh!
Fitiavana tsy voakolo anie ka hifarana!
Ka tsy aleo ve mandinika ny hoavintsika oh

Refrain:
Mila fotoana fa sao tsy sahala
Tsy matoky aho lasa misalasala
Tsy sitraky ny foko anie ny hankahala anao!
Fa ny antsika roa anie makarakara
Raha misy ny ezaka mbola tsy tara
Misy fotoana zah mila anao,
Hanafana sy hikarakara …
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : RAMIAN
Hits : 152
Likes : 1 Like
Created by : ramian_Gasy_Loud
Date : 13/07/2024 12:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758