HOTAHIANA (Ny Ako)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mafy ny fiainana e, tsy ahitana mangirana
Tsy misy hitarainana e, f’efa samy sahirana
Aiza ary aho izao no hiantoraka e, aiza ary aho izao
Iza re no mba hamboraka e, iza lazao

Nefa izao re no tsarovy!
Hotahiana anie izay matoky an’I Jehovah
Sy miantehitra aminy ka tsy miovaova

Amoron-drano izy no mamaka
Mivoha ny felany dia misandrahaka

Hotahiana anie…
Na dia avy aza ny hain-tany
Izy tsy miraika amin’izany

Hotahiana anie…
Ny asany lavorary avokoa
Tsy mba ketraka izy manao soa

Hotahiana anie…
Matokia an’I Jehovah amin’ny fonao rehetra
Fa aza miankina amin’ny fahalalanao izay voafetra
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Ako
Hits : 1088
Likes : 0 Like
Created by : MieAndry
Date : 01/12/2015 13:02
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744