TSY HO ELA (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy tantiko ny hamela anao ho irery
Tsy tiako anefa dia voatery aho
Tsy maintsy miatrika ny ho aviko aho
Koa ndeha zory ny dianao
Ataovy toy ny hoe
Mbola eo foana aho
Mbola hiverina aho
Tsy ho ela

Tohizo hatrany ny hiranao
Hakaro hatrany ny feonao
Hiverina hitondra ainga vaovao
Hanamafy indray ’lay hirahira fahizay
’Zay kalokalontsika iray
Tsy hijanona ela any aho f’aza manahy

Hatramin’izay dia niaraka niafy
Mikaroka sy miezaka hatrany
Toy ny tsy hisaraka intsony
Raha ankehitriny aho handeha
K’aza miahotra
Hoe tsy ho eo intsony aho
Nefa aza manahy
Tsy ho ela

NJILA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njila
Hits : 4101
Likes : 0 Like
Created by : Linah D
Date : 12/08/2003 14:06
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724