TONGA SAINA (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga saina ianao androany
Fa hanary ny fitiavako
Tsy namaly anao aho
Fa naleoko niala mora
Efa fantatro hatry ny ela
Fa tsy natao ahy ianao
Koa mangina sisa no azoko atao

Mbola tsy ampy anao foana
Ny toloko sy ranomaso

Angamba mbola zaza ianao
Ka toa tsy tonga saina
Mbola tsy ampy anao foana
Ny toloko sy ranomaso
Nalatsako noho ny ditranao

Tsy hitana anao aho androany
Mandehana aloha
Omeko tso-drano ianao
Ka mahità ny soa
Inoako anefa fa mbola misy antenaina
Indray androany ianao
Mbola ho tonga saina

Mbola tsy ampy anao foana
Ny toloko sy ranomaso
Nalatsako noho ny ditranao
Mbola tsy ampy anao foana
Ireo nafoiko rehetra noho ianao
Angamba mbola zaza ianao
Ka toa tsy tonga saina (2 fois)

                                  NJILA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njila
Hits : 3312
Likes : 0 Like
Created by : Linah D
Date : 04/10/2003 18:54
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753