'Ndeha ho any (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
’Ndeha ho any aho
Hamangy anao,any aho anio,
Manahy ihany sao ianao
Variana anilany eo;

’Ndeha ho any aho,
Ho tonga any aho anio;
Ny fo midoboka, manahy,
Misaina ny aminao,
Sao ho’aho ianao tsy miandry, tsy ao.

Vao mangiran-dratsy any aho dia handeha
Fa tsy hiandry ny andro maraina
Hahitako anao
Na lavitra aza ny aleha ho tongako ihany.

Fanainga lavitra tsy azo ialàna
Ny famangivangiana anao;
Tsy asiana eritreritra izay mety hanjo
Fa satry hamangy anao
Raha ho any ianao, na ho eto ihany
Manahy aho ny aminao,
Manahy ny momba anao.

Tsy ho any aho
Tsy hamangy intsony any aho anio,
Miahiahy foana ianao,
Misalasala aho;

Mibedy ianao,
Midongy, miavonavona,
Ny ambom-poko mihodina
Ny saiko mianjona
Tsy misy iriko intsony aminao.

Notsinjaraiko tany ho any ny fitia
Fa ny ambongadiny natokako ho an-dry
Raha sendra mandalo ianao indray andro any.

Fanainga lavitra ...sns...

NJILA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njila
Hits : 6133
Likes : 1 Like
Created by : Ryana
Date : 21/07/2006 14:32
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0896