MIJANGA (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Topimaso monja ihany
No nambabonao ahy
Ora telo monja ihany
Dia ampy andaozanao
Mafimafy ihany akia e
Ny anilanao

Sambatsambatra any ianao
Izao miaraka aminy any
Afaka andro anilany eo
Ny alina eto kosa akia dia miraraka
Ka indraindray mandrakotra

Ny alaheloko anao
No miavosa sy
Mankarary ny an-dohako izany
Miantso todim-pitia
Tsy vitako kosa fa
Izaho mbola tia dia tia
Aiza ianao(2 fois)
Mangina ny alina aty
Miandry masoandro entinao

Safosafo sesilany
No nandavonao ahy
Teny mora lalina
No ifanomezanao
Laingalaingam-pitia e!
Ny anilanao

Te-hiverina eto ianao
Fa tsy afaka
Fa sondriana milalao
Isaky ny any ianao dia solafaka
Ka mamomamo, mivarina

NJILA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njila
Hits : 4402
Likes : 0 Like
Created by : Linah D
Date : 09/07/2003 17:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716