DITRA (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ho avy ilay andro hiovako fo
Handaozako ireo ditrako niarahako taminao
Hohadinoiko ny omaliko
Nitondra ny fiainako t@ ny aizina
ary izany tsy nahitako hazavana

Reo teny maloto fambarako
Nameno ny vavako
Nankarary sofina ny maro
Ho soloiko ireo teny mahasoa
Anambatambazako ireo tofoka tamiko
Noho ny @ ireo fiteny ratsiko
Tsy voagejan-ditra intsony aho
Afaka tanteraka
Fa olom-baovao anie aho
F’efa lasa ny teo aloha
Toetra nahakivy ny maro
Ka de nivalo ireo tantara ireo
Tsy asiko fanenenana

Hosainiko foana ireo anatrao
Nataonao tamim-pitiavana
Tsy nijerenao ny ditrako
Tsy averiko intsony ireo fombako
Nampitomany anao toy ny fanimbazimbana
Sy eson-teny rehefa mivavaka ianao

Reo teny maloto fambarako
Nameno ny vavako
Nankarary sofina ny maro
Ho soloiko ireo teny mahasoa
Anambatambazako ireo tofoka tamiko
Noho ny @ ireo fiteny ratsiko
Tsy voagejan-ditra intsony aho
Afaka tanteraka
Fa olom-baovao anie aho
F’efa lasa ny teo aloha
Toetra nahakivy ny maro
Ka de nivalo ireo tantara ireo
Tsy asiko fanenenana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njila
Hits : 21734
Likes : 1 Like
Created by : sarobidy
Date : 20/11/2007 10:22
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112