Hisidina (Njara Marcel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Henoko manjavozavo ilay feo
Mibitsika mangina hoe
Ny fiainanao tapero hatreo
Niantso vonjy aho fa tsisy nahare
Na ireo milaza ho namako aza mangarika be

Nefa, reraka aho
Nefa, tena reraka aho

Haiko fa hanome tsiny ahy ianareo
Hoe olona malemy aho raha toa ka mitoreho
Maizina loatra ny ao an-dohako ao
Ny ngidin'ny fiainana mikiky anatiko ao

Mandositra ahy ny hazavana tsisy antenaina intsony
Mba vonjeo re aho
Mandositra ahy ny hazavana tsisy antenaina intsony re
Mba mitalaho
Ôôôô ôôôô ôôôô
....................
REF:
Avelao izaho hisidina ambony
Miangavy anareo aza tazomina intsony
Ny rojo mitazona ahy efa tsy afaka intsony
Avelao izaho hisidina ambony
Miangavy anareo aza tazomina intsony
Fa fiatsaram-belatsihy no mba hiainana eto an-tany
Ireo sedra nandalo teo rehetra anie mba vitako ihany
Ôôôô ôôôô ôôôô
..................
Injay fa misy hazavana nitaratra kely
Hoe ny fahombiazanao anie ka efa eny an-dalana eny
Misy toerana ho anao eto fa aza manahy
Dia andao mitsangàna, aza mitanondrika
Mitrakà, fohazy ilay mpandresy ao anatinao

Avelao izaho hisidina ambony
Miangavy anareo aza tazomina intsony
Ny rojo mitazona ahy efa tsy afaka intsony
Avelao izaho hisidina ambony
Miangavy anareo aza tazomina intsony
Fa fiatsaram-belatsihy no mba hiainako eto an-tany
Ireo sedra nandalo teo rehetra anie mba vitako ihany

Ny rojo mitazona ahy efa tsy afaka intsony
Fa fiatsaram-belatsihy no manjaka eto an-tany
Ireo sedra nandalo teo rehetra anie mba vitako ihany

A/C: Njara Marcel
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njara Marcel
Hits : 488
Likes : 0 Like
Created by : Tokony
Date : 04/07/2025 07:12
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0826