Neny (Meizah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay tezitra sy fo mafana
Noho ny ditrako sy ny hadalana
Tsy miala mihitsy raha mbola miaina
Manoro làlana, manamafy saina
Izay rehetra sahaniko
Izy foana no eo anilako
N’aiza n’aiza misy ahy eto an-tany
Manahy foana hoe misy olana any ho any

Rahavavy fa tsy reny
Izarana ny tsy an-kiteny
Fa raha sanatria mianjera
Tsy mamela anao irery

Neny tiako, ilay anjely tsy foiko
Ny tsisy anao tsy ho tantiko
Fa neny tiako
Ny ato ampoko no atolotro
Hihira mafy koa ny vavako
Banga anao tsy ho tantiko
Fa neny tiako

Ny fitiavany no harenany
Ho anao, afoiny hatramin’ny ainy
Raha sendra hoe lany paika
Izy foana no misolo vaika
Tambitamby hafa mihitsy
Bedibedy tsy mitsitsy
Ombam-pitia manonja
Ilay teniny mafonja

Rahavavy fa tsy reny
Izarana ny tsy an-kiteny
Fa raha sanatria mianjera
Tsy mamela anao irery

Neny tiako, ilay anjely tsy foiko
Ny tsisy anao tsy ho tantiko
Fa neny tiako
Ny ato ampoko no atolotro
Hihira mafy koa ny vavako
Banga anao tsy ho tantiko
Fa neny tiako

Aza avela halahelo
Ity fony fa efa feno
Fitiavana ho anao
Ho tonga olombanona aho
Mba hahasambatra anao
Hiraiko izao dia izao
Neny tiako ianao

Neny tiako, ilay anjely tsy foiko
Ny tsisy anao tsy ho tantiko
Fa neny tiako
Ny ato ampoko no atolotro
Hihira mafy koa ny vavako
Banga anao tsy ho tantiko
Fa neny tiako
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Meizah
Hits : 2109
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 01/06/2019 11:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735