Mamy loatra (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa tsy andry ny ahita anao indray
Ahita anao indray
Ilay tsikinao nambabo iny
Ny feonao milaza hoe tia
No mba ilaiko, efa ela ihany izay

Raha ny antsika roa, ilay fitia ho soa
Iriko indray ny fo itempo iray
Ilay fo mifankatia, ela tsy nifangia
Androany mba hiaona indray
Ny tanan-tsika no hifandray

Mbola mamy loatra ka toa tsy ho aiko
..... fotsiny amizao, ilay fitiavanao
Ahy ianao androany, izaho ho anao irery ihany
Mbola mamy loatra ka toa tsy ho aiko
Ilay sangisangy taloha
Ho averina ifandray androany ny fo

Tambitamby, ilay orokao mamy
Havereno, androany havereno
Ilay fofonao manitra iny
Eto aho no mitadidy
Aiza ireny, aleo mba ho ahy ireny

Raha ny antsika roa, ilay fitia ho soa
Iriko indray ny fo itempo iray
Ilay fo mifankatia, ela tsy nifangia
Androany mba hiaona indray
Ny tanan-tsika no hifandray

Mbola mamy loatra ka toa tsy ho aiko
..... fotsiny amizao, ilay fitiavanao
Ahy ianao androany, izaho ho anao irery ihany
Mbola mamy loatra ka toa tsy ho aiko
Ilay sangisangy taloha
Ho averina ifandray androany ny fo

Izay ampitso mbola tsy hay
Ny anio efa anao sy ho ahy
Ka asanao fa izaho efa sasa-miandry
Oh baby!!sasa-miandry aho

Mbola mamy loatra ka toa tsy ho aiko
..... fotsiny amizao, ilay fitiavanao
Ahy ianao androany, izaho ho anao irery ihany
Mbola mamy loatra ka toa tsy ho aiko
Ilay sangisangy taloha
Ho averina ifandray androany ny fo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Marion
Hits : 5003
Likes : 1 Like
Created by : ikalamako
Date : 22/09/2014 21:41
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728