Foiko Ho anao (feat Fitia & Spear O'Mic) (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Marion
Indraindray toa tsy mba tsapako
Ny halehiben' ilay fitiavanao
Toa lasa fahazarana ny mitady anao mba hitantana ahy
Iriko anefa hatram'izao tsiky no hameno ilay endrikao
Hasambarako izany ka tsy tokony hatao kilalao
Any ho any mba anjarako ny hilaza aminao
Tsapako any izay izay no hambara aminao lazaiko tsotra amin'izao

Refrain
Foiko ho anao izay sitrakao
Azoko atao foko manontolo ho anao
Fa fitia tsy vazivazy omeko anao tsy sangisangy
Foiko mba ho anao irery any
Zay rehetra ao anatiko ao
Omeko anao foiko manontolo anao
Fa fitia tsy vazivazy omeko anao tsy sangisangy
Foiko mba ho anao irery any

Fitia
Ilay fitia rehetra izay nomeko anao
Fitiavana madio tsy mba natao kilalao
Inoako fa tsy ho faty fotsiny amin'izao
Na niova izay rehetra efa natao
Iriko foana mba ho tsiky ihany
Ny ameno indray ilay endrikao
Fa ianao irery ihany
No iriko mba hahatsapa izany
Ka mba miangavy aho
Avelao, raha sitrakao hilaza indray
Efa hatrizay mba niandry ihany aho
Hanambara indray ilay fitia avy ato am-po ho anao irery

Ref

Spear o'mic
Listen up girl
I gotta tell you how you make me feel when I see you
I've been hiding my feelings for so long
I gotta let you know how I really feel about you girl
You know what you mean to me
You mean the world to me

Ref
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Marion
Hits : 7535
Likes : 0 Like
Created by : hiragasy58
Date : 16/03/2010 10:33
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114