Mody (Mami Bastah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mody ataoko hoe tsara dia io fa mandrovitsihy
Mody hanaovako tara dia milaza tsy tia
Modiy isariako adala dia milaza fa Hendry
Mody antsoiko malala dia milaza fa bedy

Rehefa tsy hivakiako loha vao lasalasa vinany
K’odiako mandeha tokoa izay vao manambitamby
Rehefa mba tsy jereko izay vao mangata-maso
Rehefa odiako matory vao sahy manafosafo

Fa ny ao am-po ao dia tsy misy mahalala
Fa ny fihetsika atao no tsy hisalasalana
Fa ny vava miteny no milaza tsy tia
Fa ny fitempon’ny fo mankafy mafy ery
Ny ao am-po tsy miloaka dia ankamantatra ihany
Fa ny fihetsika avoaka no mitory avy hatrany
Fa ny vava miteny no milaza tsy mila
Fa ny fitempon’ny fo dia manao taralalila

Odiako mba misariaka dia mba tsy te ahalala
Odiako sangisangiana dia mikisaka miala
Odiako mitsikitsy dia io fa milanja loha
Odiako mitampifimpify dia falifaly tokoa

Rehefa tena ialako vao mandraiky marary
Rehefa mody tsapaiko vao mahatsiaro mijaly
Rehefa mody atsafaiko vao lasa mifokofoko
Rehefa mody andaingako vao lasa mitotototo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mami Bastah
Hits : 869
Likes : 0 Like
Created by : tynede
Date : 18/06/2021 14:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078