rehefa maty aho (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ho avy ralala ny taona hodiako
Ao ambanin’ny tany tsindrian-drangolahy
Ka vato no solo kidoro hatoriako
Dia izao re no zavatra ataonao ahy

     Voleo voninkazo eo an-dohan’ny fasako
     Fotsy sy mavo ary manga sy mena
     Ka avelao haniry eo mandra-pifohako
     Mba hanofisako 'lay fanekena

Ny fotsy ho mariky izay fahadiovana
Misy aminao tsy mba azo lotoina
Soratra velona tsy azo vonoina
Toy ny horom-bato izay nifanaovana

     Ny endrin’ny mavo no fofony manitra
     Dia fivavahana ataoko any an-danitra
     Mba hitsinjovany anao tsy ho irery
     Ombany raha sendra tsy misy mpijery

Ny manga ho marikik’ilay fihafihana
Niaraha-niaritra zava-mangidy
Dia 'lay andro namoizana ilay fifaliana
Niaraha-niharitra zava-tsy fidy

     Ny mena ho taratrin'ny afo tsy maty
     Mirehitra lava ao anatin’ny foko
     Io lay fitia, fitia tena anaty
     Fitia voa-kase sy voatomboka loko

Ny fasako ataovy ao andrefan-tanana
Ataovy mikasika ny ilan-kamory
Soraty eo ny tenin’ny fanantenana
Tsy maty aho akory fa mbola matory

      Ny moron’ny rano voleo volotara
      Ka jerijereo fa aza avela ho maina
      Tarafo eo aho, ho tsinjonao tsara
      Tsy miala eo aho raha tsy efa maraina

Na dia maty aza anie zany tenako be
Ka iraraka an-tany ny ra ao am-poko
Ny fitiavako anao ka mipetraka anie
Tsy mba ho faty tsy mba ho lo

Tononkalo: Jasmina Ratsimiseta
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1891