Mosary sy Lagaly (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifampitantana toa mpifankatia
Tsy hisaraka ho doria ny mosary sy lagaly e! e! e!

Iaraha-mahalala fa mamely ny lagaly
Nefa toa tsy taitra ianao fa mbola falifaly

Nalaina ny hafanana tafakatra efapolo
Natahotra RADOKO dia nitsangana ny volo

Aretina mamindra izy io,aretina hafahafa
Tsy hahaizana mamaindra fa mampijafajafa

Tandremo re tandremo sao ianao dia feno
Raha toa ka ratsy fitsaboana dieny izao dia areno

Na mitandrina aza hifindrany ihany
Na maintin’ny arina eo ambodin’ny vilany

Manomboka mangovitra,mangidy be ny vava
Na manasa tanana amin’ny savony manitra sy nanasa tava

Raha nahita anay omaly izy nilaza fa narary
Nindrana ariary folo hividianana tambavy

Lasa tany an-tsena izy hizaha ravin-kazo
Ilay tambavy mahagaga mampiafana tazo

Nisamboaravoara ny lehiben’ny fokontany
Ny lehiben’ny fivondronana tsy te-hahalala an’izany

Fa ny "PETROLE" hono mety fanafody
Nefa ts’isy n’aiza n’aiza ka naleony nody,naleony nody

Toa manahirana izany tsy mba manam-bola
Nefa reraka sy tola ka marary ka marary e! e! e!

RABEKOTO HONORE AUGUSTIN
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mahaleo
Hits : 3011
Likes : 0 Like
Created by : Solofo
Date : 20/01/2003 16:31
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0916