Ianareo zanako (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
IANAREO ZANAKO

1/
Namoronako ny tsy nananako;
Nanakarako, ny tsy azon’ny tanako;
Nandaniako izay kely fananako,
Ianareo zanako.

Ts’isy tany, nihoriranako;
Matetika, tsy nihinanako;
Aretina aza mbola nitsanganako;
Ianareo zanako.

Ref:
  Satria, tsy nisy naniry;
  Ny voa nafafiny ho ratsy faniry;
  Samia mikolo, sy mikely aina,
  fa ny soa no ho jinjaina,
  Hanana ny tsara hoandrandraina.

2/
Be ny lalana, azo nandehanako;
Ny sampanana, saika nivilianako;
Nefa ny mahitsy no notanako;
Noho ianareo zanako.

Matetika, mikapoka ny tanako;
Misy fotoana, tsy maintsy nihenjanako;
Mahery angamba hoy ianareo ny fitantanako;
Anareo zanako.    

Ref:
  Satria, tsy nisy naniry;
  Ny voa nafafiny ho ratsy faniry;
  Samia mikolo, sy mikely aina,
  Mba ho ny soa no ho jinjaina,
  Hanana ny tsara ho andrandraina.

3/
Na noana aza aho, nareo no fahanako;
Ho anareo, no nifaninanako;
Zay sitrapoko, zary nobahanako;
Ho anareo zanako;

Fa ho avy ny andro, tsy hitsanganako;
Fotoana izay, tsy maintsy handehanako;
Nisy anareo nisahiranako, dia tena ho fiadanako;
Ianareo zanako.

Ref:
  Satria, tsy nisy naniry;
  Ny voa nafafiny ho ratsy faniry;
  Samia mikolo, sy mikely aina,
  Mba ho ny soa no ho jinjaina;
  Hanana ny tsara ho andrandraina.


Ianareo ho tsara faniry;
Hiroborobo, holavitry ny hirifiry;
Izay no valin-kasasarana,
Tojo  hasambarana,
Ho ahy any am-pitsaharana!
--------
Link:
Comments
srssrand ( 02/04/2016 11:10)
Betsaka ny adi-hevitra mahakasika ny tokony hikapohana na tsia ny zaza...ity hira ity dia milaza ny fitiavan-janaka sy ny sedra ary ny kinendrin'ny ray aman-dreny manoloana ny fitaizana..Raha sendra mitsotra ny tanana, tsy sanatria vono fa olom-belona ihany mety ho misy ny tsy takatry ny saina...Rehefa ampianarina ny ray aman-dreny Malagasy ny fomba hafa ahafahana manatsara ny fifandraisana eo @ RAD sy zanaka dia mety tsy hisy intsony ny kapoka...
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mahaleo
Hits : 6335
Likes : 0 Like
Created by : bakabaka
Date : 30/10/2007 20:50
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0799