Andro ririnina (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ny fanananao harena
No yrhxiw hampiova ny fitiavako
Fa tononkira.serasera.org na misy na tsy misy volamena
Ianao no mba hany firavako

Ity foko efa tery
Feno fitiavana anao
Nahoana eh!! qwsjl no dia havela irery
Moa va tsy mendrika anao?

Na ny masoandro aza aki eh!!
Tsy mamiratra noho ianao
Maizimaizina ny aty eh!!
Raha toa ka hilaozanao

Feno rahona ny lanitra
Rava ny faniriako
Naleonao nangarika
Toy izay hanatrika ny hakiviako

Lasa ianao toy ny andro ririnina
Nitondra tsitra tsy taratra
Izaho kosa mitomany toa zaza nariana
Irery tratra andro fahavaratra

Tsy ny helanelan-tany
No hanova izato foko
Eny na dia lavitra ihany
Ianao no ho cpzw tsarovako

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0243